Andriamanitra ô,Andriamanitro Ianao
Mitady anao(2) fatratra aho
Fa mangetaheta anao ny Fanahiko,maniry anao ny nofoko(RAy ô)
Andriamanitra ô, Ianao no fiarovako.
Ref:Feno fahoriana raha ny fiainana ety
Sento fijaliana rakotr’aizina Ray ô
Nefa mba ho aiza moa izahay
Iza no Hitarainanay?
Ianao ’lay tsy mandao
Tompo tsy mba mahafoy anay
Andriamanitra ô, Ianao mahalala ny iadalako
Ny heloko tsy mba miafina Aminao
Fa mihodidina ahy ireo fankam-panahy
Midina Ianao Hanafaka ahy(RAY ô)
Andriamanita ô, Ianao no fialofako